
Orange actu Madagascar
February 2, 2025 at 11:35 AM
👋Tombanana hanantona ny morontsiraka afovoany Atsinanana ilay andro ratsy miforona fahafito ao amin’ny ranomasibe Indiana ato anatin’ny 2 andro, hoy Météo Madagascar. Hiditra an-tanety eo anelanelan’i Maroantsetra sy Mahanoro izy ny talata izao, amin’ny tanjaka "Forte Tempête Tropicale", miaraka amin'ny tafiotra manodidina ny 120 Km/ora. Mihatra, araka izany, ny filazana fanairana miloko maintso ho an'ny faritra Ambatosoa, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, ny distrikan'Antalaha, Mandritsara ary Befandriana.
👉Any amin’ny manodidina ny 795 Km atsinanana somary atsimo atsinanan’i Toamasina no nisy ny foibeny tamin'ny 10 ora sy sasany maraina teo. Nihena ny heriny ka 45 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 60 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana somary Atsimo Andrefana izy ka nahafaka 25 Km/ora. Vinavianina hitombo hery kosa izy manomboka anio alina.
🙏
1