
Rhapsody Global Club ( Mandate 1B ROR Influences )
March 1, 2025 at 05:08 PM
Rhapsody Malagasy
Sun Mar 02 2025
MANÀNA FAHATONGAVAN-TSAINA NY AMIN’NY KRISTY AO ANATINAO
Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana (Jaona 1:14).
Rehefa milaza isika fa ny kristiana dia ilay olona izay itoeran’i Kristy, ny olana dia tsy fantatry ny maro akory ny dikan’ny hoe Kristy na hoe iza Kristy. Inona no dikan'ny teny hoe Kristy? Kristy dia teny hebreo ilazana ny Mesia, ary ny Mesia dia midika hoe: Ilay Voahosotra. Ao amin'ny Testamenta Taloha dia nantsoina hoe Mesia Izy, ary ao amin'ny Testamenta Vaovao dia antsoina hoe Kristy izy, saingy olona iray ihany ireo.
Ny fiheveran’ny Jiosy ny Mesia, dia ilay nantsoin’i Daniela Mpaminany hoe ny “Zanak’olona”. Rehefa nilaza ny tenany ho ny “Zanak’olona” izay “asandratra”, Jesosy, izany hoe homboana amin’ny hazo fijaliana, dia nanontany Azy ny Jiosy hoe: “Iza moa ny Zanak’olona?” Nihevitra izy ireo fa ho velona mandrakizay Kristy. Hoy ny Baiboly ao amin’ny Jaona 12:23, 32-34: “Ary Jesosy namaly azy hoe: Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak'olona… Ary Izaho, raha asandratra hiala amin'ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy. Izany no nolazainy hanambara izay fahafatesana efa hiaretany. Dia namaly Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin'ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak'olona?.” Niresaka momba ny faminanian’i Daniela Jesosy ary ity no manamarina izany.
Ny teny hoe Zanak’olona dia famaritana ny Zanak’Andriamanitra. Fa ny Zanak’Andriamanitra tsy midika hoe “Andriamanitra no niteraka azy”; fa, Andriamanitra ao amin’ny nofo. Izany no nahatonga ny mpitarika jiosy niampanga an’i Jesosy ho niteny ratsy an’Andriamanitra raha nilaza Izy fa Zanak’Andriamanitra. Hoy izy ireo: “...Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.” (Jaona 10:33). Takatr’izy ireo fa ny Mesia, ilay Andriamanitra niseho tamin’ny nofo, dia ilay nambaran’i Jesosy fa Izy.
Rehefa milaza ianao fa Jesosy no Kristy, dia midika izany fa Jesosy dia Andriamanitra miseho amin'ny nofo. Izany no nanombohana Azy tamin’ny hazo fijaliana. Aza adinoina mihitsy izany. Ohatra iray hafa, ao amin’ny Marka 14:61-64 dia milaza amintsika fa rehefa nanontany Azy mivantana ny mpisoronabe hoe: “Ianao va no Kristy?” dia Jesosy namaly fa Izy no Izy, dia nandriatra ny lambany ny mpisoronabe ka nilaza izany fa fitenenan-dratsy izany. Izany fanambarana izany no nitarika ny fanamelohana ho faty an’i Jesosy. Marina anefa ny tenin’i Jesosy. Izy tokoa no Kristy.
Ny Mesia na Kristy, dia Andriamanitra ao amin’ny nofo. Ary rehefa nandray an’i Kristy ianao, dia ny fiainan’olombelona tao anatinao dia nisolo ilay fiainan’Andriamanitra tao Aminy ary niseho tao aminao izany. Lasa - Kristy ao anatinao - ianao. Hoy ny Kolosiana 1:27: “... Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra.” Izany no voninahitra sy ny fototry ny Kristianisma - Kristy ao anatinao! Manàna izany fahatongavan-tsaina mikasika izany zava-misy ankehitriny izany, mihoatra noho ny hatramin’izay.
Prayer / Confession
Ray malala ô, misaotra anao noho ny fanambarana ny amin’ny Kristy—Andriamanitra niseho tamin’ny nofo. Ambarako fa velona ato anatiko Kristy, ary ny fiainan’Andriamanitra ao anatiny dia miseho amin’ny lafiny rehetra amin’ny vatako. Mandeha amin'ny fahatongavan-tsaina ny amin’izany zava-misy izany aho, manatanteraka ny tanjonao ary maneho ny voninahitrao amin'izao tontolo izao, amin'ny anaran'i Jesosy. Amena.
Further study
Kolosiana 1:26-27; Jaona 1:14 NIV; 1 Timoty 3:16
1-year bible reading plan
Marka 9:33-50 & Nomery 9-10
2-year bible reading plan
Matio 19:13-22 & Eksodosy 11
WhatsApp Chanel for rhapsody Translation :
https://whatsapp.com/channel/0029Va9SJ9OHFxP0Xh4KCN3F