
Rhapsody Global Club ( Mandate 1B ROR Influences )
June 8, 2025 at 08:17 PM
Rhapsody Malagasy
Mon Jun 09 2025
NY HERIN'NY PROTAGONISMA
Izy no nahita an'i Simona rahalahiny aloha, ka hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay,(izay atao hoe, raha adika, Kristy; dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy... (Jaona 1:41-42).
Eo a m i n ’ n y a s a f a m p a n d r o s o a n a n y Fanjakan’Andriamanitra, dia ilaina ny protagonista, ary mahita isika fa nisy karazan’olona toy izany ao amin’ny Baiboly, indrindra ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona. Tsy mpanara-dia an’i Jesosy Kristy fotsiny izy ireo, fa mpanohana mavitrika ny asa fanompoany. Ny fihetsika nataon’izy ireo dia mampiseho karazana asa manokana — protagonisma amin'ny lafiny rehetra.
Ohatra, ao amin’ny Jaona 1:40-42, dia hitantsika Andrea, iray tamin’ny mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa izay nandao ny zava-drehetra mba hanaraka an’i Jesosy. Tsy nitazona izany fanambarana vaovao izany ho azy irery Andrea. Fa izy aloha no nahita an’i Simona (Petera) rahalahiny, dia hoy izy taminy: “Efa hitanay ny Mesia!” Dia nitondra an’i Petera ho any amin’i Jesosy izy.
Ny fihetsik’i Andrea dia mampiseho ny toe-pon’ny tena protagonista — olona mampandroso sy manondrotra ny asa fanompoan’i Jesosy tamin’ny fisintonana ny hafa hanatevindaharana ministerany sy hanatanteraka ny asany. Ny ampitso dia niantso an’i Filipo hanaraka Azy Jesosy. Filipo, tahaka an’i Andrea ihany koa, tsy nitana ny Vaovao Mahafaly ho azy izy. Rehefa nahita an'i Natanaela izy dia nanao hoe: ”Efa hitanay Ilay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna sy nosoratan'ny mpaminany, dia Jesosy, zanak'i Josefa, avy any Nazareta” (Jaona 1:45).
Nisalasala Natanaela tamin’ny voalohany, ka nanontany hoe: “Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta?” Tsotra, nefa mahery vaika ny valin-tenin’i Filipo; hoy izy tamin’i Natanaela: “Andeha hizaha” (Jaona 1:45–46). Izany no herin'ny protagonisma. Tsy nanaraka an’i Jesosy fotsiny Andrea sy Filipo, fa nazoto nitondra ny hafa ho eo Aminy. Nampifandraisin’izy ireo tamin’ny ministeran’i Mesia ireo Jiosy namany sy ny olona nanana fanokanan-tena, izay efa nino an’Andriamanitra.
Toy izany koa, eo amin’ny fampandrosoana ny Fanjakan’Andriamanitra amin’izao andro izao, mila tafika lehibe ao amin’ny vahoakan’Andriamanitra, dia ireo izay manolo-tena sy mirehitra ary tsy mitsahatra amin’ny fanoloran-tenany ho an’ny Filazantsara. Manatanteraka ny fitoriana feno ny Filazantsara isika amin'ity taona 2025 ity. Aoka ianao no mpandray anjara fototra na protagonista amin'izany andraikitra izany! Midira ary amporisiho koa ny hafa hanatevin-daharana an'izany asa izany, izay iraka lehibe ho tanterahintsika.
Tsy azo lavina fa mitaky ny firaisan-kinan’ny tafika kristianina no hampisy ny fiovana eto amin’izao tontolo izao, ny tsirairay avy dia samy manana ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny Fanjakan’Andriamanitra, indrindra fa efa antomotra ny fiverenan’ny Tompo.
Prayer / Confession
Ry Ray malala ô, misaotra nanao ahy ho protagonista amin’ny fampandrosoana ny Fanjakanao. Amin'ny alalàko dia maro no entina ao amin'ny Fanjakana ary manatevin-daharana ny tafikao lehibe, manatanteraka ny fikasanao masina ary manova fiainana maro na aiza na aiza. Mandeha amin'ny fahendrena sy ny herin'ny Fanahy aho, manaparitaka tsy tapaka ny zava-misy ao amin'ny Fanjakana, amin'ny anaran'i Jesosy. Amena.
Further study
Jaona 1:40-42; Jaona 4:28-30; 2 Timoty 2:2
1-year bible reading plan
Asan`ny Apostoly 1:1-26 & 2 Tantara 1-4
2-year bible reading plan
Marka 16:1-11 & Deotoronomia 7
WhatsApp Chanel for rhapsody Translation :
https://whatsapp.com/channel/0029Va9SJ9OHFxP0Xh4KCN3F