
Rhapsody Global Club ( Mandate 1B ROR Influences )
June 13, 2025 at 06:58 PM
Rhapsody Malagasy
Sat Jun 14 2025
NY HERIN'NY FAHITANA SY NY FAKÀNA SARY AN-TSAINA
Ary Jakoba naka tsorakazo maro tamin' ny hazo popola maitso sy tamin' ny hazo lozy sy tamin' ny hazo platana, ka nataony ofy vandana ireny hisehon’ny fotsy izay teo amin' ny tsorakazo... (Genesisy 30:37).
Ny tantaran'i Jakoba ao amin'ny Genesisy 30 sy 31 dia tena mahavariana ny fanehoana ny herin'ny fahitana sy ny fakàna sary an-tsaina. Rehefa nanaiky hiasa tao amin’i Labana Jakoba, dia nampanantenaina fa omby no karamany. Kanefa dia novain’ i Labana matetika izany ary namitaka an’i Jakoba izy. Fa Jakoba kosa namadika ny trangan-javatra tamin’ny fahendren’Andriamanitra sy ny paikady famoronana.
Ary Jakoba naka tsorakazo maro tamin'ny hazo popola maitso sy lozy sy tamin’ny hazo platana; ka nataony ofy vandana ireny. Ary dia napetrany teo anoloan’ny tavin-drano izay nalehan’ny ondry aman’osy hisotro rano ireny tsorakazo ireny. Rehefa nikambana teo anoloan’ny tsorakazo ireo biby, dia niteraka araka izay nirin’i Jakoba. Tsy nila tsorakazo intsony Jakoba tatỳ aoriana. Nosarahiny ny zanak’ondry sy sada ary mara ka napetrany teo anoloan’ny ondry matanjaka. Nataony izany mba hamorona fahitana ho an’ny andian’ondry, ary niteraka araka izay hitany izy ireo.
Ny teknikan’i Jakoba dia ny fanehoana ny famoronana amin’ny herin’ny fahitana. Nampiasa ny fahaizany maka sary an-tsaina izy mba hahazoana vokatra. Rehefa nikambana ireo ondry matanjaka, dia napetrak’i Jakoba teo anoloan’ny masony ireo tsorakazo ireo, mba hahazoana antoka fa hiteraka taranaka matanjaka sy araka izay iriany izy ireo. Raha osa kosa ny ondry aman’osy, dia tsy nampiasa tsorakazo izy, ka ny malemy rehetra no an’i Labana.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nihanatanjaka sy nihamaro ny andian’ondry aman’osin’i Jakoba, raha nalemy ny an’i Labana. Fanambarana avy tamin’Andriamanitra no nahatonga ny fahombiazan’i Jakoba. Hitany tao amin’ny nofy fa sadika sy mara ary sada ny ondrilahy nikambana tamin’ny ondrivavy. Nanamafy io fahitana io ny anjely nanao hoe: “Atopato ny masonao, ka jereo, fa sadika sy mara ary sada avokoa ny lahy rehetra izay mikambana amin’ny ondrivavy sy osivavy...” (Genesisy 31:12).
Tena zava-dehibe tokoa izany! Afaka mamorona ny ho avy izay irinao ianao amin'ny fifantohana amin'izay tianao ho hita. Mamorona ny sary araka izay tianao ao amin'ny sainao. Fa amin’ny alalan’ny Teny sy ny herin’ny Fanahy Masina izay miasa ao anatinao, dia afaka mamorona na mamolavola izany ho azo tsapain-tanana ianao. Aleloia!
Prayer / Confession
Ray malala ô, misaotra Anao nanome ahy fahafahana hahita sy hamorona ny ho avy izay iriko amin’ny alalan’ny herin’ny fahitana sy ny Teninao. Rehefa mampiasa ny fahaizana maka sary an-tsaina aho, amin’ny fitarihan’ny Fanahinao, dia manamboatra ny fiainako mifanaraka amin’ny tanjonao masina, miaraka amin’ny fandresena sy fihitarana amin’ny lafiny rehetra. Nomena hery aho hampisy fiantraikany amin'ny tontoloko sy hanatanteraka ny anjara voatendriko, amin'ny anaran'i Jesosy. Amena.
Further study
Genesisy 13:14-17; Habakoka 2:2; Efesiana 3:20
1-year bible reading plan
Asan`ny Apostoly 4:32-5:1-11 & 2 Tantara 20-22
2-year bible reading plan
Lioka 1:39-56 & Deotoronomia 12
WhatsApp Chanel for rhapsody Translation :
https://whatsapp.com/channel/0029Va9SJ9OHFxP0Xh4KCN3F